Go to full page →

Ilay Zanaka Adala HAT 354

Ny lesona avy amin’ilay zanaka adala dia nomena ho tari-dalana ho an’ny tanora. Teo amin’ny fiainany feno fahafinaretana sy fanaranam-po tamin’ny fahotana, tamin’ny fiainam-pikomiana no nandaniany ny anjara lovany. Tsy nana-namana izy, tany an-tany fivahiniana; nitafy voro-kitsay, noana ary naniry ny hihinana na dia ny sakafon’ny kisoa aza. Ny fanantenany farany dia ny hiverina amim-panetren-tena any an-tranon-drainy, izay narahabaina tonga soa izy, navela heloka ary niverina teo am-pofoan-drainy. Maro ny tanora manao tahaka azy, miaina amin’ny fiainana tsy miraharaha, fitiavana fahafinaretana sy fandanilaniana fahatany, mandà ilay loharanon’ny rano velona, ilay loharanon’ny tena fahafinaretana, nefa mifikitra amin’ilay lavaka famorian-drano triatra ka tsy mety itehirizana rano akory. - MYP 408.1. HAT 354.3