Go to full page →

Mampidi-Doza ny Fahatokian-Tena HAT 42

Raha azon’i Satana atao ny manamaizina sy mamitaka ny sain’ny olona ary mitarika azy ireo hieritreritra fa manana hery hanao asa lehibe sy tsara izy ireo, dia hitsahatra hitoky amin’Andriamanitra izy ireo hanao izany ho azy. Tsy hanaiky fahefana ambony izy ireo. Tsy hanome an’Andriamanitra ny voninahitra izay takiny izy izay mendrika ny Mpanjaka lehibe sy tsara. Izany no ahatanterahan’ny fikendren’i Satana. Mibitaka erỳ izy mahita ny olombelona manandra-tena, toy izay nataony tany an-danitra, ary dia nazera vokatr’izany. Fantany tsara fa ho very ny olona raha manandra-tena toy izay nataony koa. HAT 42.2