Maniry hahay haneho ny fahatsaran’ny fiainana kristianina aho. Manomboka eo amin’ny marainan’ny fiainana, hodidinin’ny lalàn’ny natiora sy ny lalàn’Andriamanitra, dia mandroso sy miakatra tsy mironjona ny Kristianina, mihamanatona isan’andro ny fonenany any an-danitra, izay misy ny satro-boninahitry ny fiainana sy anarana vaovao, «izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy». Mandroso tsy miato amin’ny fahasambarana, amin’ny fahamasinana ary amin’ny asa fanompoana izy. Manan-tombo amin’ny lasa ny fandrosoany isan-taona. HAT 73.2
Nomen’Andriamanitra tohatra hiakarana ny tanora, tohatra miala amin’ny tany ary mipaka amin’ny lanitra. Eo an-tampon’ny tohatra Andriamanitra, ary hazavain’ny famirapiratan’ny voninahiny ny dingana tsirairay. Mijery ireo miakatra Izy, vonona ny handefa vonjy raha votsotra ny tanana na mihilana ny famindra. Eny, lazao amin’ny teny feno fampaherezana fa tsy hisy hananika amim-paharetana ny tohatra ka tsy hahazo ny lalana hiditra amin’ny tanàna masina. HAT 73.3
Mandroso fakam-panahy maro eo anoloan’ny tanora i Satana. Ny lalaon’ny fiainana no arosony eo amin’ny fanahy, ary tsy misy fomba izay tsy ampiasainy hamitahana sy hanimbana azy ireo. Nefa tsy hamela azy ireo tsy hisy hery hanoherana ny mpaka fanahy Andriamanitra. Manana Mpanampy manana ny hery rehetra izy ireo. HAT 73.4
Mahery noho ny fahavalony Ilay teto amin’izao tontolo izao sy ao amin’ny maha-olona nifanehatra sy nandresy an’i Satana, nanohitra ny fakam-panahy rehetra atrehin’ny tanora ankehitriny Izy no Lahimatoan’ireo. Manana fihetseham-po lalina sy mamy ho an’ireo Izy. Miambina ireo tsy tapaka Izy ary dia faly rehefa miezaka manao izay tiany ireo. Rehefa mivavaka ireo, dia ampiarahiny amin’ny fofo-manitry ny fahamarinany, ary dia atolony an’Andriamanitra toy ny fanatitra mani-pofona. Ao amin’ny heriny no haharetan’ny tanora amin’ny fahoriana toy ny miaramila tsaran’ny hazo fijaliana. Hatanjahin’ny heriny afaka hanatratra ny idealy ambony manoloana azy ireo. Ny sorona vita teo Kalvary no antoky ny fandreseny. HAT 74.1
Fanaka lehibe sy kely no mamorona ny fiangonan’Andriamanitra. Tsy mitaky zavatra tsy ara-drariny Andriamanitra. Tsy mangataka amin’ny fanaka kely Izy hitondra izay zakan’ny fanaka lehibe kokoa. Araka izay ananan’ny olona no andrasany fa tsy araka izay tsy ananany. Manaova izay tsara indrindra azonao atao dia hoeken’Andriamanitra ny ezaka ataonao. Raiso ny andraikitra akaiky anao indrindra, dia tanteraho amim-pahatokiana, ary dia hoeken’ny Tompo ny asanao. Aza hadinoina anefa ny andraikitra madinika miandry anao, rehefa tonga ny faniriana hanao asa lehibe. HAT 74.2
Tandremo sao hadinonao ny vavaka mangina sy ny fianarana ny tenin’Andriamanitra. Ireo no fiadiana hanoherana ilay mitady ny hanakana ny fandrosoanao mankany an-danitra. Ny tsirambina voalohany amin’ny vavaka sy ny fandinihana ny Baiboly no hitarika ny manaraka. Ny fanoherana ny antson’ny Fanahy voalohany no manomana ny fanoherana manaraka. Dia mihamafy ny fo, ary mihamaina ny feon’ny fieritreretana. HAT 74.3
Etsy an-danin’izany, ny fanoherana ny fakam-panahy tsirairay dia manamora ny fanoherana amin’ny hoavy. Ny fandavana ny tena tsirairay dia manamora ny fandavan-tena manaraka. Ny fandresena tsirairay azo dia manomana ny lalan’ny fandresena vaovao. Ny fanoherana fakam-panahy tsirairay, ny fandavan-tena tsirairay, ny fandresena ny fahotana tsirairay, dia voa afafy ho amin’ny fiainana mandrakizay Ny asa tsirairay tsy misy fitiavan-tena dia manome hery vaovao ho amin’ny fahamasinana. Tsy misy hanahaka an’i Kristy raha tsy mandroso amin’ny fahatsarana sy ny fahamarinana. HAT 75.1