Ny mpanaraka an’i Kristy dia tokony hanana finoana mitoetra ao am-po; fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Ny finoana no tanana mamikitra ny fanampiana tsy misy fetra; izy no fitaovana ahafahan’ny fo voaova hitepo miaraka amin’ny fon’i Kristy. Amin’ny ezaka ataony hahatongavana ao amin’ny akaniny dia matetika no ampidinin’ny tafiotra ho any an-dohasaha tery ny voromahery. Manakona ny havoana mazava misy ny akaniny ny rahona mainty, toy ny antontan-javatra tezitra. Mandritra ny fotoana fohy dia toa very hevitra izy, dia manova ny fitsoriakany ary mikopaka ireo elany matanjaka toy ny hamafa ireo rahona matevina. Manaitra ireo domohina any an-tendrombohitra amin’ny hiakany masiaka izy amin’ny fikatsahany ny lalana hivoahana avy ao amin’ny tranomaizina mihazona azy Amin’ny farany dia mitsoriaka mamaky ny haizina izy ary manao hiakam-pandresena mafy rehefa tafavoaka afaka fotoana fohy any ambony milamina sy mamiratra. Any ambaniny any izao ny haizina sy tafiotra, ary manodidina azy ny fahazavan’ny lanitra. Mamonjy ny akany tiany erỳ an-tendron’ny havoana manerinerina izy ary dia faly. Nanavatsava tao amin’ny haizina izy hahatongavana eo amin’ny mazava. Nitaky ezaka taminy izany, nefa dia valiana soa amin’ny ahazoany ny zavatra notadiaviny. HAT 80.3
Io ihany no lalana tsy maintsy izorantsika amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika. Finoana toy izany no tokony hatanjahintsika, izay hamaky ny rahona tahaka ny rindrina matevina, manasaraka antsika amin’ny hazavan’ny lanitra. Misy havoan’ny finoana izay tsy maintsy hanihintsika, izay misy ny fiadanana sy ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina. HAT 81.1