Rehefa manafika anao ny fakam-panahy, ary hanao izany tokoa izy, rehefa manodidina anao ny ahiahy sy ny fahaverezan-kevitra, rehefa azom-pahoriana sy very fanantenana, efa ho rendriky ny famoizam-po ianao, jereo, ô jereo, izay toerana farany nahitan’ny mason’ny finoanao ny fahazavana: ary dia horoahin’ny famirapiratan’ny voninahiny mazava ny haizina manarona anao. Rehefa miady toerana hanjaka ao amin’ny fanahinao ny ota, ka mavesatra ny feon’ny fieritreretanao, rehefa manaloka ny saina ny tsy finoana, mankanesa ao amin’ny Mpamonjy. Ampy handresena ny ota ny fahasoavany. Hamela heloka antsika Izy, hanome fifaliana antsika ao amin’Andriamanitra (...) HAT 85.1
Aoka isika tsy hiresaka intsony ny amin’ny tsy fahatanterahantsika na ny tsy fananantsika hery. Manadino ny zavatra any aoriana, andeha isika hiroso haingana amin’ny lalana mitondra ho any an-danitra. Aoka tsy hatao an-tsirambina ny fahafaha-manao rehetra, fa raha ampitomboina ireny dia toy ny zavatra ilaina amin’ny asan’Andriamanitra. Hanenika ny fiainantsika ny fahamasinana toy ny kofehim-bolamena, ary rehefa mitazana ny fanoloran-tenantsika ny anjely dia hamerina ny teny fikasana, «Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.” Mihoby ny lanitra manontolo rehefa manolo-tena ho an’i Jesôsy, hiaina ny fiainany, ny olombelona malemy sy mpanota. — RH, 1 Okt. 1908. HAT 85.2