Avy amin’ny fiankinana amin’ny herin’Andriamanita ny fiadanana. Raha vantany vao manapa-kevitra ny hiaina araka ny fahazavana azony ny fanahy iray, dia manome fahazavana misimisy kokoa sy hery ny Fanahy Masina. Nomena hiara-miasa amin’ny fanapahan-kevitry ny fanahy ny fahasoavan’ny Fanahy, nefa tsy hisolo ny fanazaran’ny olona ny finoany izany. Miankina amin’ny fandraisana ny fahazavana nomen’Andriamanitra ny fahombiazana eo amin’ny fiainana kristianina. Tsy ny fahabetsahan’ny fahazavana na ny porofo no hanafaka ny fanahy ao amin’i Kristy; fa ny fitomboan’ny hery sy ny sitrapo ary ny tanjaky ny fanahy miantso amim-pahamarinana hoe: «Tompo ô, mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsy finoako.» HAT 86.1
Miravoravo ny amin’ny zava-tsoa mamiratra fonosin’ny hoavy aho, ary ianao koa. Mifalia, dia misaora ny Tompo noho ny fitiavany feno halemem-panahy. Izay tsy azonao, dia ankino aminy. Tia anao Izy, ary mahalala ny fahalemenao tsirairay avy. «Nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” Izy. Tsy hahafa-po ny fon’Ilay tsy misy fetra ny hanome ireo izay tia ny Zanany fitahiana latsaka noho ny nomeny ny Zanany. HAT 86.2
Mitady ny hampiala ny saintsika amin’Ilay Famonjena mahery i Satana, hitarika antsika handinika ny amin’ny fahasimban’ny fanahintsika. Nefa na dia mahita ny fahotana taloha aza i Jesôsy, dia miresaka famelan-keloka Izy; ary dia tsy tokony hanala baraka Azy isika amin’ny fisalasalantsika ny amin’ny fitiavany. Tokony hoentina eo an-tongotry ny hazo fijaliana ny fahatsapana fa mpanota, raha tsy izay dia hanapoizina ny loharanon’ny fiainana. Rehefa atobak’i Satana amintsika ny fampitahorany, dia mihodìna, ary ampiadano amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ny fanahinao. Mety ho maizina ny rahona, nefa rehefa tratry ny hazavan’ny lanitra izy, dia miova mamiratra toy ny volamena; fa mitoetra eo aminy ny voninahitr’Andriamanitra. HAT 86.3
Tsy tokony handevozin’ny fihetseham-ponyzanak’Andriamanitra. Rehefa mivadibadika avy amin’ny fanantenana mankany amin’ny tahotra ireny, dia marary ny fon’i Kristy; satria nanome porofo tsy mety dison’ny fitiavany azy Izy (...) Maniry azy ireo hanao ny asa nampanaoviny Izy; dia ho tonga toy ny «valiha masina» eo an-tanany ny fon’ireo; ny tady tsirairay hamoaka fiderana sy fisaorana Ilay nirahin’Andriamanitra hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. HAT 87.1
Malemy fanahy sady mahery ny fitiavan’i Kristy ny zanany. Mahery noho ny fahafatesana; fa maty Izy hanatanteraka ny famonjena antsika, hanao antsika ho iray Aminy, amin’ny fomba mahagaga sy ho mandrakizay. Mahery aoka izany ny fitiavany ka feheziny ny heriny rehetra, ary ampiasainy ny haren’ny lanitra sesehena amin’ny fanatsarana ny vahoakany. Tsy misy fiovaovana na aloky ny fihodinana izany, -tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Na dia efa ela aza no nisian’ny fahotana, izay miezaka ny hanohitra izany fitiavana izany ka manakana ny firotsahany eto an-tany, dia miboiboika hatrany toy ny loharano velona ho an’ireo nahafatesan’i Kristy izany. - TM, tt. 518, 519. HAT 87.2