Maharitra ny firaisana amin’ny Kristy amin’ny alalan’ny finoana velona; ny firaisana hafa dia tokony hofoanana. I Kristy no nifidy antsika voalohany, nandoa onitra ambony ho fanavotana antsika; ary ny mpino marina dia mifidy an’i Kristy ho voalohany sy farany sady izay tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra. Mitaky zavatra amintsika anefa izany firaisana izany. Firaisana misy fiankinan-doha tanteraka izany, idiran’ny olona feno fizahozahoana. Izay manaiky izany firaisana izany dia mila mahatsapa ny filany ny ran’i Kristy fanavotana. Mila mandalo fiovam-po izy ireo. Tsy maintsy mampilefitra ny sitrapony amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy. Hisy tolona amin’ny sakana anaty sy ivelany. Hisy asan’ny fisarahana maharary, toy ny hisian’ny asan’ny firaisana. Ny avona, fitiavan-tena, fizahozahoana, toetr’izao tontolo izao — fahotana amin’ny endriny rehetra — dia tsy maintsy resena, raha te hiray amin’i Kristy isika. Ny antony mahatonga ny maro hahita ny fiainana kristianina sarotra aoka izany, ny antony mahatonga azy ireo tsy ho matotra, miovaova, dia satria miezaka ny hiray amin’i Kristy izy ireo nefa tsy nanapaka ny fatorany tamin’ireo sampy ankafiziny. HAT 94.3
Rehefa tanteraka ny firaisana amin’i Kristy, dia amin’ny vavaka mafana sy ny ezaka tsy mety sasatra no hihazonana azy. Tsy maintsy manohitra isika, tsy maintsy mandà, tsy maintsy mandresy ny izaho. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy, amin-kahasahiana, amim-pinoana, amin’ny fiambenana no ahazoantsika ny fandresena. — TFC, b. 5, t. 231. HAT 95.1