Go to full page →

Manokatra ny Lalana ho amin’ny Fitahian’Andriamanitra HAT 108

Tsy misy zavatra izay tena atahoran’i Satana fatratra afa-tsy ny vahoakan’Andriamanitra manadio ny lalana amin’ny fanesorana ny sakana rehetra, mba hahafahan’ny Tompo mandrotsaka ny Fanahiny amin’ny fiangonana reraka sy ana fatratra sy ny fiangonana tsy mibebaka. Raha ny sitrapon’i Satana, dia tsy ho nisy mihitsy fifohazana, lehibe na kely, hatramin’ny fiafaran’ny fotoana. Kanefa fantatsika ny famitahany. Azo atao ny manohitra ny heriny. Ho avy ny fitahiana rehefa voaomana ho an’ny Fanahin’Andriamanitra ny lalana. Tsy afaka intsony hanakana ny mpandrotsaka fitahiana tsy hilatsaka eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra i Satana, tahaka ny tsy ahafahany manakatona ny varavarankelin’ny lanitra tsy hilatsahan’ny orana eo amin’ny tany. Tsy afaka hanakana ny asan’Andriamanitra ny olon-dratsy sy ny devoly, na hanaisotra ny fanatrehany tsy ho eo amin’ny fiangonan’ny vahoakany, raha hiaiky ny fahotany sy hiala amin’izany amin’ny fo milefitra sy torotoro izy ireo, ary hitaky ny teny fikasany amim-pinoana. - RH, 22 Mar. 1887. HAT 108.2