Eo amin’ny fahazazana sy fahatanorana no mora volavolaina indrindra ny toetra. Eo no tokony hianarana ny herin’ny fifehezan-tena. Eo amorom-patana sy eo amin’ny fivorian’ny fianakaviana no hiasan’ny hery miasa mangina izay haharitra mandrakizay ny vokany. Mihoatra noho ny fanomezana voajanahary, ny fahazarana mipetraka eo amin’ireo taona voalohany no hametra na ho mpandresy ny olona iray na ho resy eo amin’ny adin’ny fiainana. HAT 110.2
Eo amin’ny fampiasana ny fitenenana, angamba tsy misy fahadisoana izay moramora fotsiny ny ampitan’ny olon-dehibe sy ny tanora izany amin’izy ireo noho ny teny tsy voahevitra, sy ny resaka maimaika. Heverin’izy ireo fa ho fialan-tsiny ampy ny hanao hoe azafady fa: “Tena tsy nitandrina aho, ary tsy izay no tena tiako holazaina.” Kanefa tsy heverin’ny tenin’Andriamanitra ho maivamaivana izany. Hoy ny Soratra Masina: “Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy antenaina kokoa noho izy.” “Tanàna rava tsy misy manda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.” HAT 110.3
Ny ampahany be indrindra amin’ny fanorisorenan’ny fiainana, ny aretim-po sy ny fahatezerana azo avy aminy dia vokatry ny toe-panahy tsy voafehy. Tamin’ny fotoana anankiray, tamin’ny alalan’ireo teny tsy voahevitra, foizina, tsy voatandrina no mety hitondra faharatsiana izay tsy ho azon’ny fanenenana mandritra ny fiainana manontolo harenina. Indrisy ireo fo vaky, fisakaizana tapaka, fiainana simba noho ny teny mandratra, tsy voahevitra nataon’ireo izay tokony ho nitondra fanampiana sy fanasitranana. HAT 110.4
Ny asa be loatra indraindray no miteraka ny fahaverezan’ny fifehezan tena. Kanefa tsy nanery mihitsy ny Tompo ny hanaovana fihetsika maimaika sy misafotofoto. Maro ireo izay manangona ho an'ny tenany enta-mavesatra izay tsy napetraky ny Ray be famindrampo any an-danitra eo ambonin’izy ireo. Adidy izay tsy nasainy hataon’izy ireo ny hifanenjika amin’ny teny tsy voalanjalanja. Irin’Andriamanitra ny hahatsapantsika fa tsy manome voninahitra ny Anarany isika rehefa mitondra enta-mavesatra marobe izay manasatra antsika, ary mandreraka ny fo sy ny ati-doha, sorisorena, sy kizitina ary masiaka. Ireo andraikitra izay nomen’ny Tompo antsika ihany no tokony hoentintsika, amin’ny fahatokiana azy, ary amin’izany no hiarovantsika ny fontsika hadio sy tsara fanahy ary mangoraka. HAT 111.1