Ny faniriana hanome voninahitra an’Andriamanitra no tokony ho matanjaka indrindra ao amintsika amin’ireo hery manetsika rehetra. Io no tokony hitarika antsika hampiasa izay hery rehetra ananana mba hanatsarana ireo tombontsoa sy toe-javatra azo hararaotina nomena antsika, mba hahafahantsika mahatakatra ny fomba ampiasana amim-pahendrena ny fananan’ny Tompo. Tokony hitarika antsika izany mba hihazonana ny atidoha, ny taolana, ny hozatra sy ny retsi-pandre ho salama araka izay azo atao, ka ny hery ara-batana sy ny fahazavan-tsaina no hahatonga antsika ho mpitantam-piainana mahatoky. Ny fitiavan-tena, raha maka toerana eo amin’ny asa dia hanabotry ny saina sy hanamafy ny fo; raha avela hifehy dia mandrava ny herin’ny toetra. Avy eo, tonga ny fahadisoam-panantenana. HAT 125.2
Omen’Andriamanitra, izay nanome fahombiazana an’i Damela, ny lehilahy sy ny vehivavy ny tena fahombiazana marina. Izy izay namaky ny fon’i Daniela dia mijery amim-pahafinaretana ny fahadiovan’ny hery manetsiky ny mpanompony, ny fahatapahan-keviny hanome voninahitra an’Andriamanitra. Ireo izay manatanteraka ny fikasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany dia tsy maintsy manao ezaka mafy sy mitandrina tsara, milofo fatratra, amin-kafanam-po sy fahamatorana eo amin’ny fanatanterahana ny zavatra rehetra na inona na inona nomeny hataon’izy ireo. -YI, 20 Aog. 1903. HAT 125.3