Tsy tonga amin’ny kisendrasendra ny toetra. Tsy ny fitroaran’ny toe-panahy indray mandeha, na ny dingana indray mandeha mankany amin’ny lalan-diso no mamaritra azy. Ny famerimberenana ny zavatra atao no mahatonga azy ho lasa fahazarana, ary mamolavola ny toetra na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Amin’ny alalan’ny ezaka amim-pikirizana sy tsy mety sasatra ihany no ahafahana mamolavola ny toetra mahitsy amin’ny alalan’ny fanatsarana ireo talenta sy fahafaha-manao rehetra izay nankinina mba ho voninahitr’Andriamanitra. Kanefa raha tokony hanao izany, dia maro no mamela ny tenany hoentin’ny fironana sy ny toe-javatra any amin’ny toerana rehetra izay mety hitondrany azy ireo. Izany dia tsy satria hoe tsy manana fitaovana tsara izy ireo, fa satria tsy tena tsapany fa tian’Andriamanitra ny hanaovan’izy ireo ny tena tsara indrindra ao amin’ny fahatanorany. HAT 139.1
Raha ny tanora ankehitriny no hijoro tahaka izay nijoroan’i Daniela, dia tsy maintsy manenjana ny nofo sy hozatra ara-panahy rehetra izy ireo. Tsy irin’ny Tompo ny hitoeran’izy ireo ho mpanavao foana. Manantena Izy ny hahatraran’izy ireo ny faritra ambony indrindra amin’ny fahatsarana. Iriny ny hahatraran’izy ireo ny faritra ambony indrindra amin’ny zana-tohatra, mba handinganany miala amin’izany mankao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. HAT 140.1