Go to full page →

Fiofanana amin’ny Asa Fanompoana Ambonimbony Kokoa HAT 148

Irin’ny Tompo isika hahazo ny fanabeazana rehetra mety ho azontsika, miaraka amin’ny fikasana ny hizara ny fahalalantsika amin’ny hafa. Tsy misy na dia iray aza afaka ny hahafantatra hoe aiza na amin’ny fomba ahoana no mety hiantsoana azy ireo hiasa na hiteny ho an’Andriamanitra. Ny Raintsika any an-danitra irery ihany no mahita izay Azony hampanaovina ny olona. Misy ireo zavatra azo atao eo anoloantsika izay tsy voavakin’ny finoantsika malemy. Tokony ho tena voaofana ny saintsika. Koa raha ilaina dia afaka haneho ireo fahamarinan’ny Teniny eo anatrehan’ny manam-pahefana ambony indrindra eto an-tany isika amin’ny fomba izay anomezam-boninahitra ny Anarany. Tsy tokony havelantsika ho very fotsiny na dia tombontsoa iray aza azo hararaotina hanofanana ara-tsaina ny tenantsika hiasa ho an’Andriamanitra. HAT 148.2