Go to full page →

Mianatra Mahandro HAT 154

Ny tanora lahy sy vavy dia tokony hampianarina hahandro amim-pitsitsiana, sy tsy hampiasa hena. Aoka tsy hisy fampirisihana omena amin’ny fikarakarana sakafo izay misy fangarony nofom-biby na dia kely aza satria mitondra any amin’ny fahamaizinana sy ny tsy fahalalan’i Egipta izany, fa tsy ho amin’ny fahadiovan’ny fanavaozana ara-pahasalamana. HAT 154.2

Ny vehivavy indrindra indrindra dia tokony hianatra hahandro. Ampahany inona amin’ny fanabeazana ny zazavavy no zava-dehibe noho izany? Na inona na inona toe-javatra mety hiseho aminy eo amin’ny fiainana dia ity no fahalalana izay azony ampiasaina andavanandro (...) HAT 154.3