Go to full page →

Toko 53 — Ireo Tombontsoa azon’ny Mpianatra Hararaotina HAT 157

Ry mpianatra, miaraha miasa amin’ny mpampianatra anareo. Hanome fanantenana sy risi-po ho azy ireo ianao raha manao izany. Manampy azy ireo ianao no sady manampy ny tenanao ihany koa mba handroso. Tsarovy fa miankina betsaka aminao ny hahafahan’ny mpampianatra manampy anao, sy ny hampahomby ny asany. Amin’ny heviny ambony indrindra dia ianao no mpianatra, izay mahita an’Andriamanitra ao ambadiky ny mpampianatra, ary ny mpampianatra miara-miasa Aminy. HAT 157.2

Mandalo faingana ny tombontsoa azonao hararaotina. Tsy manana fotoana holanina amin’ny fanomezana fahafinaretana ny tena ianao. Rehefa miezaka amin-kafanam-po ny hahomby ihany ianao vao hahazo ny tena fahasambarana. Sarobidy ireo tombontsoa fanararaotra omena anao mandritra ny fotoana laninao any an-tsekoly. Ataovy ho tanteraka araka izay azo atao ny fiainanao amin’ny maha-mpianatra anao. Indray mandeha ihany no andalovanao amin’izany lalana izany. Ary mijanona miaraka aminao izany na ho fahombiazana ny asanao na tsy ho fahombiazana. Raha toa ka mahomby amin’ny fahazoana ny fahalalana ara-Baiboly ianao dia manangona haren-tsarobidy izay hozaraina. HAT 157.3