Go to full page →

Fifehezana Tanteraka ny Zavatra Fototra HAT 158

Aza mionona amin’ny filamatra ambany. Aoka ho azonao antoka rehefa mamonjy sekoly, fa ao an-tsainao ny fikendrena mendrika sy masina. Mandehana satria maniry ianao ny hahatonga ny tenanao ho sahaza ny asa fanompoana ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. Ataovy izay rehetra azonao atao hahatrarana izany fikendrena izany. Ianao no afaka hanao zavatra bebe kokoa ho an’ny tenanao noho izay azon’ny hafa atao ho anao. Ary raha manao izay rehetra azonao atao ho anao ianao, dia enta-mavesatra manao ahoana re no hoesorinao amin’ny tompon’andraikitra voalohany ao an-tsekoly sy ireo mpampianatra! HAT 158.3

Mialoha ny hiezahana hianatra ny sampana ambonimbony kokoa amin’ny fahalalana ny literatiora, aoka ho azonao antoka fa azonao tanteraka ireo fitsipika tsotra amin’ny fitsipi-pitenenana, sy nianatra ny hamaky teny sy hanoratra ary hanonona araka ny tokony ho izy (...). HAT 159.1

Aza mandany fotoana amin’ny fianarana izay zavatra tsy hisy ampiasanao azy amin’ny fiainanao ao aoriana. Tsy aleo ve aloha mianatra miteny Anglisy tsara toy izay hiezaka hahazo fahalalana ireo mpanoratra klasika. Mianara ny fomba fihazonana kaonty. Makà fahalalana amin’ireo fianarana izay hanampy anao mba hahasoa na aiza na aiza alehanao. - CTPS, tt. 218,219. HAT 159.2