Go to full page →

Toko 60 — Mijoro ho Vavolombelona ho an’i Kristy HAT 173

Ireo rehetra izay eo amin’ny laharan’ny Tompo dia natao hanaiky an’i Kristy. «Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah». Ny finoan’ny tena mpino marina dia hiseho miharihary eo amin’ny fahadiovana sy fahamasinan’ny toetra. Miasa amin’ny alalan’ny fitiavana ny finoana ka, manadio ny fanahy ary ny finoana dia hifandrindra amin’ny fankatoavana, fanatanterahana amim-pahatokiana ireo tenin’i Kristy. Fampiharana mandrakariva ny fivavahana kristianina, mampifandrindra izany amin’ireo toe-javatra rehetra eo amin’ny tena fiainana. ‘Hianareo no vavolombeloko’ Ho an’iza? Ho an’izao tontolo izao; satria ianao dia tonga hitondra miaraka aminao ny hery miasa mangina masina. Tokony hitoetra ao amin’ny fanahinao i Kristy, ary tokony hiresaka ny Aminy ianao ary haneho mibaribary ny fahatsaran’ny toetrany. HAT 173.1