O! Raha mba mikatsaka ao amin’ny Soratra Masina mantsy ny tanora ka manao izay heveriny fa hataon’i Kristy raha eo amin’ny toerany izy! Ny fahafahana omena antsika hahazo fahalalana avy any an-danitra dia mametraka andraikitra lehibe amintsika, ary amim-pitalahoana fatratra, no tokony hanontaniantsika ny tenantsika tsirairay avy raha mandeha amin’ny mazava isika na tsia. Mandeha amin’ny marina araka ny fahazavana lehibe azoko ve aho, sa mifidy lalana miolikolika kosa ka mahavery ny mandringa? (...) HAT 20.1
Tokony ho vonton’ny fahatakarana lalina ny tombam-bidy, ny fahamasinana ary ny fahefan’ny fahamarinana isika. Mipariaka eo amin’ny lalantsika ny tara-pahazavana avy any an-danitra, ry tanora malala; ary mivavaka aho mba hampiasanareo amin’izay tsara indrindra ny fahafaha-manao eo an-tananareo. Raiso ary hazony ireo fahazavana avy any an-danitra rehetra, dia hihamazava ny lalanareo mandra-piavin’ny andro. — YI, 2 Feb. 1893. HAT 20.2