Tokony ho foto-kevitra enti-miasa ny fitiavana. Ny fitiavana no foto-kevitra iorenan’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany sy any an-danitra ary tsy maintsy ho fototry ny toetra amam-panahy kristianina. Io ihany no hahatonga azy ho afaka hifahatra sy hitana azy hahafahatra. Io ihany no hahatonga azy ho afaka hisetra ny fitsapana sy ny fakam- panahy. TF 214.1
Ary ny fitiavana dia haseho eo amin’ny fahafoizan- tena. Ny drafitry ny fanavotana dia naorina teo amin’ny fahafoizan-tena lehibe sy lalina ary avo indrindra ka tsy azo refesina. Nomen’i Kristy antsika ny zavatra rehetra, ary ireo izay mandray an’i Kristy dia ho vonona hahafoy ny zavatra rehetra ho an’ny Mpanavotra azy. Ny fahatsiarovana ny hajany sy ny voninahiny dia hatao alohan’ny zavatra hafa rehetra. TF 214.2
Raha da an’i Jesôsy isika, dia ho tiantsika ny ho velona ho Azy, sy ny hiasa ho Azy. Na dia ny asa mafy aza dia ho maivana. Noho ny Aminy dia hoekentsika ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny fahafoizan-tena. Hiray fo amin’ny faniriany isika ho amin’ny famonjena ny olona. Ho tsapantsika ilay fitiavany sy hetahetam-panahy izay nananany ho amin’ny famonjena ny olona. TF 214.3
Izany no fivavahan’i Kristy. Ny zavatra hafa noho izany dia fitaka. Tsy misy vinavinam-pahamarinana fotsiny na filazana ho maha-mpianatra ka hahavonjy ny fanahy iray. Tsy an’i Kristy isika raha tsy tia Azy manontolo. Ny fo mizarazara eo amin’ny fiainana Kristianina no mahatonga ny olona ho osa eo amin’ny fikasany sy miovaova eo amin’ny faniriany. Ny fiezahana hanompo ny tena sy Kristy dia mahatonga ny olona ho mpihaino toy ny tany vatoina, ka tsy hahazaka raha tonga ny fitsapana. — HF, tt. 36,37. TF 215.1