Go to full page →

Fanarabiana an’Andriamanitra ny Fanomezana tsy Vokatry ny Fo TF 217

Nofidin’Andriamanitra mba ho mpitantana ny olona, ho mpiara-miasa Aminy eo amin’ilay asa lehiben’ny fampandrosoana ny fanjakany etỳ an-tany; kanefa mety hanaraka ny fanaon’ilay mpanompo tsy mahatoky izy ireo, ary amin’ny fanaovany izany dia ho very ireo tombontsoa sarobidy indrindra tsy mbola nomena ny olona hatramin’izay. Niasa tamin’ny alalan’ireo olombelona masoivohony Andriamanitra nandritra ny arivo taona maro, saingy azony atao, araka ny sitrapony, ny manala ireo da tena sy tia vola ary mpierina.Tsy miankina amin’ny fananantsika Izy, ary tsy ho voafetran’ny olona ny asany. Azony atao ny mamita ny asany na dia tsy handray anjara amin’izany aza isika. Fa iza amintsika no hankasitraka ny hanaovan’ny Tompo samirery izany? TF 217.2

Aleo tsy manome mihitsy toy izay manome an-katerena; satria raha manolotra ny fananantsika isika kanefa tsy manana ny toe-tsain’ny mpanome amin-kalalahana, dia toy ny hoe manaraby an’Andriamanitra. Aoka hotsaroantsika mandrakariva fa mifandray amin’ilay Iray izay iankinantsika hitondra fitahiana ho antsika isika, dia ilay Iray izay mamaky ny eritreritra rehetra ao am-po sy ny fikasan’ny saina rehetra. -RH, 15 May 1900. TF 217.3