Go to full page →

Tsiny Maharikoriko TF 21

Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa sedraina isika eto amin’ity tontolo ity, mba hamantarana raha toa ka mendrika ilay fiainana hoavy isika. Tsy misy olona afaka hiditra ny lanitra, na dia iray aza, raha toa ka mbola voaloton’ny tsiny maharikorikon’ny fitiavan-tena ny toetrany. Noho izany, zahan’Andriamanitra toetra isika etỳ, amin’ny alalan’ny fametrahany harena eto an-tany eo am- pelatanantsika, ka ny fampiasantsika ireo no haneho raha toa ka azo anankinana harena mandrakizay isika na tsia. RH, 16 May, 1893. TF 21.1