Go to full page →

Ho Fampitsiriana ny Toetra amam-Panahin’i Kristy TF 22

Avelan’ny Tompo ho tonga amin’ny olona ny fahoriana sy ny antambo, mba hiantsoana antsika hiala amin’ny fitiavan- tena, mba hampitsiriana ao anatintsika ny toetra amam- panahiny, dia ny fangorahana sy ny fahalemem-panahy ary ny fitiavana. TF 22.2

Mandefa antso faran’izay mampangorakoraka fo indrindra ny fitiavan’Andriamanitra, ka mitaona antsika haneho fangorahana lalina tahaka izay nasehon’i Kristy tamintsika. Lehilahy ory Izy ary zatra fahoriana. Amin’ny fahoriantsika rehetra dia ory ihany koa Izy. Tiany ny olombelona satria novidiny tamin’ny rany mihitsy, ka hoy Izy amintsika: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. ” — Jao. 13:34-RH, 13 Sept. 1906. TF 22.3