Nahita fianakaviana mahantra vitsivitsy izay tena mitolona mafy amin’ny trosa aho, kanefa dia mbola tsy zarina hanana fandava-tena ihany ny ankizy mba hahafahany manampy ireo ray aman-dreniny. Tao amin’ny fianakaviana iray izay novangiako, dia naneho ny faniriany hanana piano lafo vidy ireo zanakavavin’izy mivady. Tamim-pifaliana mihitsy no namalian’ny ray aman-drenin’izy ireo izany faniriana izany, saingy dia novesaran’ny trosa be izy ireo. Fantatr’ireto zazavavy ireto tsara izany, fa raha mba nozarina hiaina ao anaty fandavan-tena izy ireo dia mba tsy nanome alahelo ny ray aman-dreniny amin’ny handavana ny fangatahany; kanefa na dia efa nolazaina tamin’izy ireo aza fa sarotra ny hanomezana fahafaham-po ny fanirian’izy ireo, dia tsy nijanona teo mihitsy ny resaka. Mbola namerimberina ny fangatahany tsy an-kiato ihany izy ireo, izay nanampy ny enta-mavesatra efa nolanjain’ny ray aman-dreniny. TF 272.2
Tamin’ny fitsidihako manaraka azy ireo dia indro fa hitako tao an-trano tokoa ilay zava-maneno izay notsiriritin’ireto ankizivavy zanak’izy ireo ireto, ary fantatro fa an-jatony dôlara no nanampiana ny vesatry ny trosa natao. Tsy mora tamiko ny hilaza hoe iza no tokony homena tsiny, ny ray aman-dreny diso mampihanta tafahoatra ny zanany ve sa ireto zaza tia tena. Izy rehetra dia samy meloka eo anatrehan’Andriamanitra. Maneho ny zava-mitranga amin’ny maro izany tantara izany. Ireo tanora ireo, na dia milaza azy ho Kristianina aza, dia mbola tsy nilanja ny hazo fijalian’i Kristy; satria ny lesona voalohany hianarana avy amin’i Kristy dia ny leson’ny fandavan-tena. Hoy ny Mpamonjintsika, “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy bandà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” Tsy misy fomba hahafahantsika ho tonga mpianatr’i Kristy mihitsy ankoatra ny fanekentsika hanaraka izany fepetra izany. - Sg, 31 Mar. 1887. TF 273.1