Go to full page →

Ny Fitakian’ny Didy Fahavalo TF 275

Ny didy fahavalo dia manameloka ny fanambakana sy ny fanandevozana ny hafa ary izay mety ho tetika tsy marina hikatsahana ny tombontsoa ranofotsiny. Manameloka ny halatra sy ny fandrobana izany. Mitaky fahitsiana tanteraka, eny, fa na dia amin’ny zavatra farany madinika indrindra eo amin’ny fiainana aza izany, ary manakana ny fametsifetsena ara-barotra, ka mitaky ny fandoavana ny trosa sy ny karama araka ny tokony ho izy. Manambara izany fa ny fironana hitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana anararaotana ny tsy fahafantarana sy ny fahalemena ary ny fahasarotana mahazo ny hafa dia raketina ao anatin’ny bokin’ny lanitra ho toy ny hosoka. TF 275.2