Go to full page →

Toko 52 - Misoroka Ny Trosa Amin’ireo Sehatr’asa TF 291

Tsy sitrak’Andriamanitra ny hahatonga ny asany ho latsaka tsy misy fitsaharany ao anaty trosa. Raha toa ka hita ny mahatsara ny hanitarana ny fanorenana na hanatsarana ireo sehatr’asa efa miorina, dia aoka hitandrina mba tsy hihoatra noho izay fananana eo am-pelatanantsika. Mety kokoa ny hanemorana ireo fanatsarana kasaina hatao mandra-piandry ny fitantanan’Andriamanitra hanokatra lalana hanatanterahana izany asa izany mba ho lavitra ny vesatry ny trosa sy ny tataon-ketra miaraka aminy. TF 291.1

Ny trano fanontam-pirinty dia nandray fanohanana ara- bola tamin’ny vahoakantsika, ary noho izany dia azo natao ny nanohana ireo filàna tamin’ny sehatra samihafa tamin’ny asa, ary mbola ahafahana nanampy orinasa hafa aza. Tsara indrindra izany. Tsy dia haintsika loatra ny nitrandraka izany zavatra izany. Fa ny Tompo kosa dia mahita ny zavatra rehetra. Fa avy amin’ny fahazavana nomena ahy, dia tsy maintsy atao ny ezaka rehetra mba hahafahana mijoro lavitry ny trosa. TF 291.2