Go to full page →

Mampihena ny Fandaniana amin’ny Fitantanana amim-Pitandremana ny Toeram-Pitsaboana TF 293

Ireo izay miasa ao amin’ireo sehatrasantsika dia mila mianatra ny hoe ahoana no atao hampihenana ny fandaniana, mba tsy hahatonga ny sehatrasantsika ho latsaka ao anaty trosa. Tsy maintsy maneho fahendrena isika eo am- pividianan-javatra. Tsy maintsy atao izay hampiasana ny vola hahavitana zavatra mihoatra lavitra ny eritreretina araka izay azo atao. Dôlara maromaro no ho voatahiry noho ny fitantanana feno fahamatorana fatratra. TF 293.2

Tsy misy fandaniana tokony hatao mihitsy raha tsy hoe efa eo am-pelatanana ny vola rehetra ilaina ho amin’izany. Misy amin’ireo olona izay mifandray amin’ny sehatrasantsika no voafatotry ny trosa izay azo nosorohina mihitsy. Angamba mahakasika ny fandaniana entina hanatsarana ny trano fotsiny izany izay azo noleferina tsara. Matetika mantsy ny vola no ampiasaina hanomezana fahafaham-po ny filàna sy ny fironana maha-olombelona fotsiny. TF 293.3