Go to full page →

Fahaizana Mitsitsy amin’ny Fitantanana ny Sekoly TF 297

Tsy maintsy ampiharina any amin’ny sehatra rehetra ny fahaizana mitsitsy mba tsy hitarika amin’ny faharendrehana, sy ny fipaohan’ny alon-dranon’ny fitrosana; nefa na izany aza dia tokony hisy fisondrotany kosa ny saram-pianarana aloan’ny mpianatra. Naseho tamiko izany raha mbola tany Eorôpa aho, ary nanomboka teo dia naseho anareo koa ny sekolintsika. Ny olana mahakasika ny hoe: “Ahoana no hahatonga ny sekolintsika ho voaaro amin’ny fitrosana” dia mbola hitoetra ho olana mandrakariva mandra-panaovana kajy feno fahendrena ny zavatra kasaina hatao. Asondroty ny saram-pianaran’ny mpianatra sy ny tombontsoa raisiny amin’ny fanabeazana, ary aoka mba ho olona mahay mitsitsy sy mahay mitahiry no tendrena hitantana ny fandrahoana sakafo. Aoka ireo izay tena mana-talenta no horaisina na dia tsy maintsy handoavana karama ambony kokoa aza. Zava- dehibe ny fahatrarana izany lafiny roa izany. Raha voahevitra araka ny tokony ho izy izany fitandremana izany dia tsy ilaina akory ny hampisondrotra ny trosa ao amin’ny sekoly. TF 297.1