Go to full page →

Voafitaka noho ny Fahadisoan’ny Kajy TF 304

Raha mandeha araka ny torolalana omen’Andriamanitra isika, dia hanana tombontsoa mandrakariva hahazo toerana mora kokoa izay hahafahana manorina toeram-pitsaboana, sady efa misy trano azo ampiasaina mihitsy aza, no efa misy tokotany malalaka feno zava-maniry manaingo ny tanàna koa. Maro ny toerana toy izany efa naseho ahy. Nomena toromarika aho noho izany fa tokony hoheverina misimisy kokoa ny fisokafan’ireny tolotra ahitana tombontsoa manokana ireny. TF 304.1

Na izany aza anefa dia azo heverina fa mety kokoa indraindray ny fisafidianana toerana izay tsy mbola ahitana na inona na inona ary tsy mbola misy fanorenana efa natsangana. Fa amin’izany tranga izany, dia tsy maintsy maneho fahamalinana tsara isika mba tsy hisafidy toerana izay mitaky vola tsy toko tsy forohana ny fanajariana azy. Noho ny tsy fahampian’ny fanandramana sy ny fahadisoan’ny kajy natao, dia mety ho latsaka ao anaty fandriky ny fitrosana, satria ny fanorenana sy ny fanajariana dia mandany vola avo roa na telo heny noho izay efa notombatombanana. - MS 114, 1902. TF 304.2