Go to full page →

Ny Zava-Doza amin’ny Fandraisana Tendrony TF 309

Mety ny mitrosa vola hahafahana mampandroso ny asa izay fantatsika fa fanirian’Andriamanitra ny hahavita azy. Tsy tokony hiandry ny fahasarotana isika ka hanao izay hampahavesatra ny asa satria tsy tiantsika ny hitrosa vola. Fahadisoana ny miditra amin’ny fitrosana vola hahafahana manatanteraka asa izay mbola azo atao tsara ny manemotra ny fanatanterahana azy any aoriana any. Kanefa tandremo fa zava-doza koa ny fandraisana an-tendrony izany. Tsy tokony hametraka ny tenantsika amin’ny toerana mampidi- doza isika amin’ny fanaovana sorona ny fahasalamantsika ka hampitarazoka ny asa. Tokony hiasa am-piheverana fatratra isika. Tsy maintsy tontosaintsika ny asa rehetra ilaina tontosaina, na dia tsy maintsy hitrosana vola aza izany ary handoavana zana-bola fanampiny. TF 309.1