Raha mbola manao fanati-pandavan-tena ho tombontsoan’ny asan’Andriamanitra ny ray aman-dreny, dia tokony mba hampianariny koa ny zanany handray anjara amin’izany asa izany. Tokony hianatra hampiseho ny fitiavan’izy ireo an’i Kristy ny ankizy, amin’ny fandavany ireo karazam-pilàna tsy misy dikany sy tsy mahasoa izay tena mandany ny vola any am-pelatanan’izy ireo tokoa. Tokony hotontosaina eo anivon’ny fianakaviana rehetra izany asa izany. Mila fahendrena sy fomba fiasa manokana izany, ary izany indrindra no fanabeazana tsara indrindra azon’ny ankizy raisina. Koa raha mba manolotra ny fanatiny ho an’ny Tompo avokoa ny ankizy rehetra, ny fanomezam-pahasoavana ananany dia ho toy ny rian-drano madinika kely maromaro izay ho tonga renirano lehibe iray rehefa tafatambatra. Amim-pankasitrahana feno no ijeren’Andriamanitra ireo ankizy kely maneho fandavan- tena mba hahafahana manao fanatitra ho Azy. Naneho fankasitrahana feno ilay vehivavy mpitondratena izay nandrotsaka farantsakely roa ankevitry ny variroaventy avy tao an-trano firaketana Izy, satria avy amin’ny fo tokoa no nanolorany izany. Heverin’ny Mpamonjy fa ny fanatitra izay nataony, tamin’ny fanolorana izay nananany rehetra dia manana ny lanjany mihoatra noho ny fanomezana betsaka avy amin’ilay mpanankarena, izay tsy nampiseho fandavan- tena na dia kely akory aza teo amin’ny fanolorany fanatitra. Izany no mahatonga Azy ho faly tokoa rehefa misy ankizy iray manam-paniriana haneho fandavan-tena mba hahatonga azy ireo ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra izay tena tia azy tokoa, koa dia raisiny eo an-tsandriny izy ireo ka tahiny. - RH, 25 Des. 1900. TF 325.1