Go to full page →

Fizarana 13 — Ny Fahamasinan’ny Voady Sy Ny Fianianana TF 342

Toko 59 - Fatoran’ny Fanekena Atao Amin’Andriamanitra TF 342

Miasa amin’ny alalan’ny olombelona Andriamanitra; Ary izay rehetra mamoha ny fisainan’ny olombelona, ka mitarika azy hanao asa tsara sy hanam-pahalianana marina amin’ny fampandrosoana ny fahamarinana, dia tsy misy avy aminy fa avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra izay miasa ao anatiny. Ny voady natao noho ny toe-javatra manokana nitranga dia manana toerana feno fahamasinana, izay vokatry ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra. Raha toa ka nefaina ireny voady ireny dia eken’ny lanitra izany fanatitra izany ary ireo mpanompo feno falalahan-tànana ireo dia toy ny mametraka harena tsy hita pesimpesenina any amin’ny sompitry ny lanitra. Izy ireo no mametraka fanorenana tsara hiatrehana ny hoavy, satria izay napetrany dia haharitra mandritra ny fiainana mandrakizay. TF 342.1