Go to full page →

Manamafy ny Fatoran'ny Firaisana TF 380

Nataon’Andriamanitra ho mpitantana ny fananany isika. Apetrany eo am-pelatanantsika ny fanomezana avy Aminy, mba hahazoantsika mizara izany ho amin'izay sahirana, ary io fizarana hita mivainga io no fanafody azo antoka hiadiana amin'ny fitiavan-tena rehetra. Amin'ny alalan’ny fanehoana fitiavana amin’ireo izay mila fanampiana no hitaomanao ny fon’ireo sahirana hanolotra fisaorana an’ Andriamanitra satria nomeny fanomezam-pahasoavan'ny fanompoana an- tsitrapo ireo rahalahy, ka nitarika azy ireo hanamaivana ny filan'ireo izay latsaka ao anaty fahasahiranana. TF 380.1

Amin'ny alalan’ny fiainana io fitiavana azo tsapain-tanana io no hahatonga ny fiangonana rehetra hifanakaiky kokoa ao anatin'ny firaisana Kristianina. Amin'ny alalan'ny fitiavana ny rahalahy no hitomboan'ny fitiavana an'Andriamanitra, satria tsy hadinony na oviana na oviana ireo tra-pahasahiranana, ary dia hisy raki-pisaorana hiakatra ho any amin'Andriamanitra noho ny fikarakarany. “Fa ny fanaovana izany fanompoam- pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa” —2 Kôr. 9:12. Mitombo ao amin'Andriamanitra ny finoan'ireo rahalahy, ary ho voatarika hanolotra ny fanahiny sy ny tenany ho an'Andriamanitra amin'ny maha-Mpahary mahatoky Azy izy ireo. “Satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra.”- 2 Kôr. 9:13. -RH,21 Aog. 1894. TF 380.2