Go to full page →

Tombontsoa sy Andraikitra TF 37

Nomena antsika mba hotorintsika amin’izao tontolo izao ny fahamarinana faran’izay miezinezina indrindra nankinina tamin’ny olona mety maty. Asantsika ny fitoriana ireo fahamarinana ireo. Tsy maintsy ampitandremina izao tontolo izao, ary tsy maintsy manatanteraka amim-pahatokiana ny iraka nankinina taminy ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy tokony hiditra amin’ny fiantoham-barotra hakana tombony mihoapampana izy ireo, ary tsy tokony hiditra amin’ny fandraharahana miaraka amin’ny tsy mpino; satria hanakana azy ireo tsy hanao ny asa nomena azy ireo izany. TF 37.2

Hoy i Kristy ny amin’ny olony: “Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao.” - Mat. 5:14. Tsy zavatra kely foana raha naseho tamintsika tamin’ny fomba tena mazava tokoa ny torohevitra sy ny tanjona ary ny drafitr’Andriamanitra. Tombontsoa tena mahafinaritra ny fahafahana mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra, araka izay ambara ao amin’ny teny faminaniana mafy orina. Mametraka andraikitra mavesatra eo amintsika izany. Miandrandra ny hizarantsika amin’ny hafa ny fahalalana nomeny antsika Andriamanitra. Fikasany ny hiraisany amin’ny olombelona fitaovana eo amin’ny fitoriana ny hafatra fampitandremana. - RH, 28 Jol. 1904. TF 37.3