Go to full page →

Tsy Azo Hajanona ny Asa TF 39

[Antso nataon-dramatoa White tamin'ny taona 1886. Nosoratana tany Eorôpa] TF 39.1

Raha tena manana ny fahamarinana ho amin’izao andro farany izao tokoa isika, dia tsy maintsy hotorina amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra izany. Tsy ho ela intsony dia tsy maintsy hotsaraina araka ny asa nataony tao amin’ny vatany ny velona sy ny maty rehetra, ary ny lalàn’Andriamanitra no fenitra hoentina hitsarana azy ireo. Noho izany, tsy maintsy ampitandremina izy ireo dieny izao ankehitriny izao; tsy maintsy haseho ny fahamarinan’ny lalàna masin’Andriamanitra, ary haseho eo anoloan’izy ireo ho tahaka ny fitaratra. Mitaky hoenti-manana ny famitana io asa io. Fantatro fa mafy ny fiainana, ary tsy betsaka ny vola eo am-pelatanana; saingy tsy maintsy haely ny fahamarinana, ary tsy maintsy harotsaka ao an-trano firaketana ny vola hampielezana izany (...). TF 39.2