Tsy hahatratra ny toerana tian’Andriamanitra hotratrariny mihitsy ny fiangonana raha tsy efa mifamatotra am-po amin’ny misiônerany izany fiangonana izany. Tsy hisy na oviana na oviana ny firaisana izay nangatahin’i Kristy raha tsy efa entina ho ao amin’ny asa fanompoana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sy raha tsy efa lasa masoivoho mpanohana ireo sahan’asa rehetra ny fiangonana. Tsy hahatontosa izay tokony hotontosainy ny ezaka ataon’ny misiônera raha tsy efa asehon’ny mambran’ny fiangonana ao amin’ny saha eo an-toerana, tsy amin’ny alalan’ny teny ihany, fa amin’ny alalan’ny asa ihany koa, fa tsapan’izy ireo ny adidy miantefa aminy, dia ny hanohana amin-kafanam-po ireo misiônera ireo. TF 49.1
Mitady mpiasa Andriamanitra. Ilaina ny asa ataon’ny tena manokana. Ny fiovam-po anefa no mandeha aloha; ary ny fitadiavana izay hahavoavonjy ny hafa no manaraka izany. - RH, 10 Sept. 1903. TF 49.2