Ny fandrotsahana mivatravatra ny Fanahin’Andriamanitra izay manazava ny tany manontolo amin’ny voninahiny, dia tsy ho tonga raha tsy nohazavaina aloha ny olontsika, izay tokony hahafantarantsika izany hasarobidin’ny hoe maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra izany amin’ny alalan’ny fanandramana nolalovany. Rehefa ananantsika ny fanoloran-tena tanteraka amin’ny fo ho amin’ny asan’i Kristy, dia hankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandrotsahany ny Fanahiny amin’ny fatra tsy misy fetrany izany; kanefa tsy mbola ho tanteraka izany raha ampahany betsaka amin’ny fiangonana no mbola tsy mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Tsy afaka mandrotsaka ny Fanahiny Andriamanitra raha mbola hita miharihary ny fitiavan-tena sy ny fampanaranam-po ny tena; ary raha mbola manjaka ny toe-tsaina izay, raha atao amin’ny fiteny dia maneho ity valintenin’i Kaina ity hoe: “Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?”- Gen. 4:9. RH, 21 Jol. 1896. TF 54.2