Go to full page →

Tokony Hakana Ampahafolony ny Fananana sy ny Vola Miditra Rehetra TF 68

Tokony handoa ny ampahafolon’izay rehetra ananany sy izay rehetra raisiny izy ireo, tahaka izay nataon’i Abrahama. Anjaran’i Jehôvah ny ampahafolony feno fahatokiana. Fandrobana an’Andriamanitra ny fihazonana izany. Tokony hitondra ampahafolony sy fanatitra amin-kalalahana sy an- tsitrapo ary am-pifaliana ho ao an-trano firaketan’i Jehôvah ny olona rehetra, satria misy fitahiana ny fanaovana izany. Tsy mampilamina ny fihazonana izay anjaran’Andriamanitra. - MS, t. 159, 1899. TF 68.3