Go to full page →

Fahavoazana Lehibe ho an’ny Mpitantana tsy Mahatoky TF 96

Mbola mitoetra sy voarakitra ao anatin’ny takila masina ny teny fikasana ho an’ireo izay mankalaza an’Andriamanitra amin’ny fananany. Raha toa ka mankatò amim-pahatokiana ny toromarika nomen’Andriamanitra ny vahoakany, dia ho tanteraka amin’izy ireo ny teny fikasana. Saingy rehefa ataon’izy ireo tsinontsinona ny fitakian’Andriamanitra, izay naseho mazava tsara tamin’izy ireo, dia avelan’ny Tompo hanaraka ny sitrapony izy ireo, ka hijinja ny vokatry ny nataony. Izay maka ka mampiasa ho an’ny tenany manokana ny ampahany izay natokan’Andriamanitra ho Azy, dia maneho fa mpitantana tsy mahatoky ny tenany. Tsy ny anjaran’Andriamanitra izay nohazoniny ihany no ho veriny, fa izay nomena azy ho anjarany ihany koa. - RH, 4 Feb. 1902. TF 96.1