Nanao voady i Jakôba [Gen. 28:20-22] raha novelombelonin’ny andom-pahasoavana, sy natanjahan’ny fanatrehana ary ny toky avy tamin’Andriamanitra izy. Rehefa lasa ny voninahitr’Andriamanitra, dia nalaim-panahy izy, tahaka ireo lehilahy rehetra amin’izao androntsika izao. Nahatoky tamin’ny voadiny anefa izy, ka tsy mba nikolokolo eritreritra ny amin’izay mety hahafahana amin’ny fianianana nataony. Azony natao ny nieritreritra, tahaka ny ataon’ny olona ankehitriny, fa nofy fotsiny ihany iny fanambaràna iny, fa nientanentana diso tafahoatra izy raha nanao ny voadiny, ka noho izany dia tsy voatery hotanterahina ilay izy; tsy nieritreritra izany anefa izy. TF 107.2
Taona maro no lasa, izay vao sahy niverina tany amin’ny fireneny i Jakôba; rehefa tafaverina anefa izy, dia nefainy tamim-pahatokiana ny trosany tamin’ny Tompony. Lasa lehilahy mpanan-karena izy, ka harena tena maro no niala avy tao amin’ny fananany ka nampidiriny tao amin’ny firaketan’i Jehôvah. TF 108.1
Olona maro amin’izao androntsika izao no tsy mahomby eo amin’izay nahombiazan’i Jakôba. Ireo izay nomen’Andriamanitra harena betsaka indrindra no manana fironana mafy indrindra hihazona izay ananany, satria tsy maintsy manome vola mifanentana amin’ny fananany izy ireo. Nomen’i Jakôba ny fahafolonon’izay rehetra nananany. Rehefa izay dia nokajiany ny zana-bola avy tamin’ny ampahafolony, ka nomeny ny Tompo ny tombon’izay nampiasainy ho an’ny tenany manokana nandritra ny fotoana nivahiniany tany amin’ny firenena jentilisa ka tsy nahafahany nanefa ny voadiny. Vola be izany, kanefa tsy nisalasala izy ny nandoa izany; tsy noraisiny ho azy intsony izay nanaovany voady tamin’Andriamanitra, fa an’i Jehôvah. TF 108.2
Arakaraka ny lanjam-bola nomena ny lanjam-bola takina. Arakaraka ny maha-be ny renivola nankinina no mampisy vidiny ny fanomezana izay takin’Andriamanitra haverina Aminy. Raha manana fananana betsaka ny Kristianina, dia baiko fa tsy safidy ny fitakian’Andriamanitra amin’izy ireo, tsy ny hoe hanome Azy ny anjarany araka ny rafitry ny ampahafolony fotsiny ihany, fa ny hanolotra ny fanatiny noho ny ota sy ny fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra ihany koa. - 4T 466, 467. TF 108.3