Go to full page →

Dieny Mbola tsy Tara Loatra TF 109

Tsy ho ela intsony dia hikatona ny androm-pahasoavana. Raha tsy manompo ny Tompo amim-pahatokiana ianao ankehitriny, dia ahoana no hiatrehanao ireo fihetsika tsy mahatoky voarakitra fa nataonao? Tsy ho ela intsony aorian’izao dia hanakoako ny antso fampamoahana ny olona mba handinihana ny trosan’Andriamanitra aminy, amin’izay dia hapetraka aminao ity fanontaniana ity: “Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?” Raha tsy nety nitondra tena tamim-pahatokiana tamin’Andriamanitra ianao, dia mitalaho aminao aho mba handinika ny tsy fahatanterahanao, ka manaova fanonerana raha toa ka azo atao. Nefa raha toa tsy vitanao ny hanao izany, dia mivavaha amim-panetren- tena sy amim-pibebahana mba hamelan’Andriamanitra, noho ny amin’i Kristy, ireo trosanao maro dia maro. Manomboha fiainana kristianina ankehitriny. Aza manala tsiny ny tenanao intsony noho ny tsy fanomezanao izay an’ny Tompo. Ankehitriny, raha mbola re ny feo malefaky ny famindrampo, raha mbola tsy tara loatra ka mbola azo harenina ny ratsy vita, raha mbola manakoako ny antso anio, raha hihaino ny feony ianao, dia aza manamafy ny fonao. - RH S, 1 Des. 1896. TF 109.2