Go to full page →

Misy Sehatr’Asa Hafa Tokony Hotohanana, fa tsy amin’ny Alalan’ny Ampahafolony TF 112

Misy olona mihevitra fa azo ampiasaina ho an’ny sekoly ny ampahafolony. Dia misy olona iray koa mihevitra fa tokony hotohanana amin’ny alalan’ny ampahafolony ny mpampiely boky evanjelisitra. Hadisoana goavana anefa no vita rehefa esorina amin’ny tanjona tokony hampiasana azy ny ampahafolony — dia ny fanohanana ireo mpitandrina izany (...). TF 112.1

An’i Jehôvah ny ampahafolony, ka ireo izay mikitikitika izany dia hofaizina amin’ny famoizany ny hareny any an-danitra, raha tsy mibebaka izy ireo. Aoka tsy ho voasakantsakana intsony ny asa noho ny familiviliana ny ampahafolony amin’ny lalana hafa noho izay nolazain’Andriamanitra fa tokony halehany. Tokony hisy fanomezana ho an’ireo sehatr’asa hafa ireo. Tokony hotohanana ireo, saingy tsy amin’ny alalan’ny ampahafolony. Tsy niova Andriamanitra; mbola ampiasaina ho fanohanana ny asa fanompoana mandrakariva ny ampahafolony. - 9T'247- 250. TF 112.2