Go to full page →

Mampianatra ny Malahelo mba Halala-Tanana TF 118

Matetika no ireo anisan’ireo malahelo eo amin’izao tontolo izao no mandray ny fahamarinana; saingy tsy tokony hataon’izy ireo ho fialan-tsiny hanaovana tsirambina ireo andraikitra eo mipetraka eo an-tsorok’izy ireo izany, manoloana ny fahazavana sarobidy noraisiny. Tsy tokony havelan’izy ireo hanakana azy tsy hihary harena any an- danitra ny fahantrana. Ireo fitahiana mety ho azon’ny manan-karena dia mety ho azon’izy ireo ihany koa. Hitombo arakaraka ny fahatokiany ny hareny any an-danitra raha toa ka mahatoky izy ireo eo amin’ny fampiasana ny kely ananany. Ny antony manosika azy ireo hiasa, fa tsy ny vola ananany, no mahatonga ny fanatiny hanana tombambidy eo imason’ny Lanitra. - GW 222. TF 118.1