Go to full page →

Fizarana 1 — Ny Lalan’ny Lanitra Momba Ny Fahalalahan- Tanana Sy Ny Tanjony TF 9

Toko 1 - Mpiara-Miasa Amin’andriamanitra TF 9

“Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao sy amin'izay voaloham- bokatrao rehetra; ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.” - Ohab. 3:9,10. TF 9.1

“Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra- pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany. Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa. ” - Ohab. 11:24,25. TF 9.2

“Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany. ” - Isa. 32:8. TF 9.3

Notendren’ny fahendren’Andriamanitra, eo amin'ny drafi-pamonjena, ny lalàn’ny asa sy ny vokatry ny asa, mba hahatonga ny asa fanaovan-tsoa, amin’ny endriny rehetra, ho voatahy indroa miantoana. Izay manome ny malahelo dia mitahy ny hafa, ary voatahy ihany koa amin’ny fatra ambony kokoa aza. TF 9.4