Go to full page →

Ny Zava-Doza Lehibe Indrindra TF 169

Naseho ahy fa tsy ny vola no tsy ampy eo am-pelatanan’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Ankehitriny ny fitiavan-karena no loza mitaotao lehibe indrindra ho azy ireo. Ny sasany dia tsy mitsaha-mampitombo ny fanahiany ny zavatry ny nofo sy izay momba ny asany ary repotra amin’ìzany mihitsy. Vokatr’ìzany dia maty ara-panahy izy ireny ka manadino an’Andriamanitra sy ny antony ilan’Andriamanitra azy. Nangataka taminy Andriamanitra mba hanaovany ny ainy tsy ho zavatra eo amin’ny fanolorana fanatitra ho Azy; ary izany fahafoizan-tena izany dia tsy mampitombo na inona na inona fa mitaky fampihenana sy fampiasaina. Lasa heloka ho an’ny mambra ny fananany harena maro noho ny fifikirany amin’ìzy ireny. TF 169.3