Go to full page →

Tsy Hotohanana ao Anatin’ny Fahalainana TF 183

Ny fahazarana manohana ny olona malaina amin’ny alalan’ny fanomezana manokana na ny volan’ny fiangonana dia hampiriska azy ireo hanana fahazaran-dratsy. Tokony hosorohina amim-piheverana tsara io fomba ratsy io. Ny isam-batan’olona, na lahy na vavy, na ankizy, dia tokony hobeazina hanao asa mivaingana sy mahasoa. Tokony hianatra asa ny tsirairay. Mety ho fanamboarana lay angamba izany, mety ho asa aman-draharaha hafa koa, fa tokony hofanina ny rehetra hampiasa ny heriny mba hanatratra tanjona iray. Ary Andriamanitra dia vonona hampitombo ny fahaizan’izay rehetra te hanabe ny tenany hamolavola fahazarana miasa tsara. Hoy ny Tompo amintsika: “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. ” — Rom. 12:11. Hitahy ireo rehetra mihazona ny hery miasa mangina avy aminy eo amin’io lafiny io Andriamanitra. - RH, 13 Mar. 1900. TF 183.2