Go to full page →

Fandavan-Tena sy Fahafoizan-Tena TF 184

Miantso an’Andriamanitra ny zanany rehefa tojo tsy fahampiana sy fahoriana izy ireo. Maro no maty noho ny tsy fahampian’ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. Ren’ny sofin’ny Tompon’ny maro ny fitarainany. Hantsoiny ho amin’ny fampamoahana hentitra ireo olona nanao tsirambina ireo madinika izay Azy ireo. Inona no havalin’ireo mpanankarena da tena rehefa hanontany azy ny Tompo hoe: “Inona no nataonao tamin’ny vola izay nasaiko nampiasainao ho ahy?” “Hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay” ireo — Mat. 25:46. Hilaza amin’izy ireo Andriamanitra hoe: “Mialà amiko, hianareo izay voaozona (..); fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo. ” — Mat. 25:41-43 TF 184.2

Re eny amin’ny manodidina antsika eny ny hiakia- pijalian’izao tontolo izao. Atsipin’ny fahotana eny amintsika ny aloka avy aminy. Andeha isika ho vonona hiara-miasa amin’ny Tompo. Handalo fotsiny ihany ny fahafinaretana sy ny herin’izao tontolo izao. Tsy misy olona afaka mitondra ny haren’ny tany any amin’ilay tontolo mandrakizay. Fa ny fiainana izay lanina amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia hitoetra mandrakizay. Ho hita any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny vokatr’izay nomena mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra. - RH, 31 Jan. 1907. TF 185.1