“Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am- bavahadin’ny tanàna izy, dia indro nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masina hianao, itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko. Ary nony lasa naka ravehivavy dia niantso azy Elia ka nanao hoe: Masina hianao, itondray mofo kely koa eny an-tànanao aho. ” - 1 Mpanj. 17:10. TF 188.2
Tao amin’io tokantrano zohim-pahantrana io dia tsapa ho namely mafy tokoa ny mosary ary efa eo an-dalam- pahalaniana no fahitana ny fivelomana viviny nananan’ilay mpitondratena. Ny fahatongavan’i Elia tamin’ny fotoana indrindra izay nanontaniany tena tamim-pitebitebena na tokony handao ny adiny izy na tsia, no nampandalo fizahan- toetra lehibe ny finoan’ity vehivavy mahantra ity izay nitoky tamin’ny herin’Andriamanitra hiahy ny fiainany. Kanefa na dia teo amin’ny fahoriany mangidy aza, dia mampiseho ny finoany izy, ka nanaiky ny fangatahin’ilay vahiny hizarana aminy ny sombimofo farany nananany. TF 188.3
Tamin’ny fangatahan’i Elia mba hahazo sakafo sy rano hosotroina dia hoy ny navalin’ilay mpitondratena azy hoe: “Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan ‘ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary he! maka tapa-kazo roa aho izao ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. Fa hoy i Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha ka ento ety amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. Fa izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ny tavoara mandra-piavin’ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin’ny tany. ” - 1 Mpanj. 17:12-14. TF 189.1
Tsy misy finoana na dia iray aza afaka hozahan-toetra tahaka izany. Tamim-pahalemem-panahy sy fahafoizana be no nandraisan’ilay mpitondratena ny vahininy rehetra hatramin’izay. Ankehitriny dia mametraka ny fitokiany amin’Andriamanitry ny Isiraely izay miahy ny ilainy rehetra izy, ka tsy nanana ahiahy akory ny amin’izay fijaliana mety haterak’izany fihetsika izany, na ho an’ny tenany na ho an- janany lahy, ka dia nandray vahiny tamim-pahalalaham-po tokoa ary nanao “araka ny tenin’i Jehovah naloaky ny vavan’i Elia”. TF 189.2
Endrey, fampiantranoana tonga lafatra manao ahoana tokoa izany nasehon-dravehivavy Foinikanina tamin’ilay mpaminany izany ka novalian-tsoa tokoa ny finoany sy ny fahalalahan-tanany! “Ary izy (Elia) sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia” — 1 Mpanj. 17:15,16. TF 189.3
Nizara ny sombimofo tamin’i Elia ilay mpitondratena tany Zarefata ary ho setrin’izany dia voavonjy ny ain’izy mianaka. Nampanantena fitahiana safononoka izay rehetra miara-miory sy manohana ireo tsy nambinina noho ny tenany ny Tompo. Tsy nanam-piovana Izy. Ankehitriny dia tsy latsa-danja noho ny tamin’ny andron’i Elia akory ny heriny. -MM, tt. 103-105. TF 190.1