Go to full page →

Nankasitrahana ny Fanatitr’i Maria TF 193

Ny fanompoan’ny fo no manome vidiny ny fanomezana. Rehefa tonga zazakely ilay Mpanjakan’ny lanitra, ka nankinina tamin’i Maria, dia tsy nanana zavatra betsaka omena Azy izy. Domohina roa no mba nentiny natao fanatitra, sahala amin’ny hoe kely izany ho an’ny mahantra; fa sorona ankasitrahana izany eo imason’Andriamanitra. Tsy mba afaka nanolotra harena sarobidy ho an’ny Zanak’Andriamanitra tahaka ireo lehilahy hendry tany atsimon’i Betlehema izy; na izany aza dia tsy mba voahilika ny renin’i Jesôsy noho ny hakelin’ny fanomezany. Ny hatsaran’ny sitrapo no nojeren’Andriamanitra; dia nanjary tonga mamy izany fanatitra izany. Noho izany Andriamanitra dia manaiky ny fanomezanao, na dia kely aza izany, raha izay no tsara indrindra anananao, kanefa nomena tamim-pitiavana ho an’ny Tompo. - RH, 9 Des. 1890. TF 193.1