Go to full page →

Fomba tokana Hanehoana ny Fankasitrahana TF 16

Tsy mila ny fanatitsika ny Tompo. Tsy afaka mampanan- karena Azy amin’ny alalan'ny fanomezana atolotsika Azy isika. Hoy ny mpanao Salamo: “Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” — 1 Tant. 29:14. Avelan’Andriamanitra haneho ny fankasitrahantsika ny fahatsarany anefa isika, amin’ny alalan'ny ezaka feno fahafoizan-tena,ka hampita izany fahatsarany izany amin’ny hafa. Io no fomba tokana ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Tsy nisy fomba hafa nomeny ankoatra io. - RH, 6 Des. 1887. TF 16.2