Eo amin’ny fandanjan’ny lanitra, ny fanomezana ataon’ireo malahelo, natao tamin’ny fitiavana an’i Kristy, dia tsy tombanana arakaraka ny vola nomena, fa arakaraka ny fitiavana izay nanosika ilay fanatitra. Ny teny fikasan’i Jesôsy dia azo antoka fa hotanterahina amin’ilay olona malahelo malala-tanana, izay tsy manan-komena afa-tsy kely foana, saingy nanolotra izany kely izany tamin-tsitrapo, toy ny amin’ilay olona mpanan-karena izay nanome tamin'ny haben'ny fananany. Manao sorona avy amin’ny kely ananany tokoa ilay olona malahelo, izay tena tsapany tokoa. Mamehy ny tenany amin’ireo zavatra tena ilainy mba hampilamina ny fiainany mihitsy izy; ilay olona mpanan-karena kosa nanome tamin'ny haben'ny fananany, ka tsy nahatsiaro fahabangana, tsy nisy zavatra nafoiny kanefa tena ilainy. Noho izany, misy fahamasinana teo amin’ny fanatitr’ilay malahelo, izay tsy hita teo amin’ny fanomezan’ilay mpanan-karena; satria nanome tamin'ny haben'ny fananany izy. Nalamina araka ny fitondran’Andriamanitra ho amin’ny tombontsoan’ny olona ny drafitra iray manontolo momba ny fanolorana fanatitra ara-drafitra. Ary mbola tsy mitsahatra io fitondrany soa io. Raha manaraka io fitondrany soa mbola misokatra io ireo mpanompon’Andriamanitra, dia ho mpiasa mavitrika ny rehetra. - 3T,tt. 398,399. TF 198.1