Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny fahafahana

    Ny sikina eny am-balahana, ny kapa eny an-tongotra ary ny tehina eny an-tanana, nitsangana ary tamim-panginana no niandrasan’ ny Zanak’ Isiraely ny didy navoakan’ ny mpanjaka izay nandroaka azy hiala ny tany Egypta. Mbola alina ny andro raha niainga izy. Dia nahazo toky ny Zanak’ Isiraely ka niangona tsikelikely tao amin’ ny tany Gosena, fa ireo mpampahory azy kosa tora-kovitra nandritra ny fiavian’ ny loza. Nahamora ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ity vahoaka betsaka niahoaho ity izany, ka na teo aza ny fahatampohan’ ny fandosirana tamin’ ny andro niaingana dia voazara nitsitokotoko teo ambany fitarihan’ ny lehibeny avy izy rehetra.PM 279.1

    Nisy ‘lehilahy nahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy ny isany. Ary nisy olona maro, samihafa firenena koa niara-niakatra taminy’l. Tsy olona voataona tamin’ ny finoana ny Andriamanitry ny Isiraely ihany ireo vahoaka ireo. fa nisy koa maro lavitra noho ireb, olona te ho afaka amin’ ny loza fotsiny na voatariky ny fitiavam-baovao sy ny mosalahy. Nanjary tsilo sy fandrika ary loza tsy an-kijanona ho an’ ny Zanak’ Isiraely ireny olona ireny.PM 279.2

    Nentin’ ny olona niaraka taminy koa ‘ny ondry aman’ osy sy ny omby”, satria tsy mba nanao tahaka ny Egyptiana izay nivarotra ny fananany tamin’ ny mpanjaka izy ireo. Nitombo fatratra indrindra ny ondry sy ny omby nentin’ i Jakoba sy ny zanany tany Egypta. Afa-tsy izany, araka ny torohevitr’ i Mosesy, dia samy nitaky ny karama tamin’ ny asa maina nataony ny olona tsirairay avy alohan’ ny hialany tany Egypta, ary noho ny fahadodonan’ ny Egyptiana ialan’ izy ireo taminy dia tsy nisy nolaviny izay nangatahiny na inona na inona. Nanan-karem-bevava tamin’ ny babo azony tamin’ ireo mpampahory azy toy izany no nialan’ ny Isiraely tany amin’ ny tany nanandevozana azy.PM 279.3

    Nanatanteraka ny teny nampilazaina an’ i Mosesy elabe taloha izany toe-draharaha izany: ‘Ho vahiny any amin’ ny tany izay tsy azy ny taranakao hanompo ny olona any; ary hampahoriana efa-jato taona izy. Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka hitondra harembevava izy’2. Tafatsingerina katroka ny efa-jato taona. ‘Tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta’3.PM 280.1

    Nitondra raki-tsarobidy niaraka taminy ny Zanak’ Isiraely raha nandao ny tany Egypta: tsy inona izany fa ny taolam-balon’ i Josefa izay niandry ny fanatanterahana ny teny fikasan’ Andriamanitra hatry ny elabe, sy nilazana ny fanafahana ny Isiraely nandritra ireo taona maro fanandevozana.PM 280.2

    ‘Ary rehefa nalefan’ i Farao ny olona ho any amin’ ny tany Kanana, dia tsy mba nentin’ Andriamanitra tamin’ ny làlana nankany amin’ ny tanin’ ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany’, fa nentiny nianatsimo ho any amin’ ny lalana mahazo ny Ranomasina Mena. ‘Fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina ho any Egypta’4. Nety ho voasemban’ ny mponina izay iena fisakanan-dalana ho an’ ity vahoaka andevo nandositra ny ziogan’ ny tompony ity ny lalana mamaky an’ i Filistia. Ny Zanak’ Isiraely koa moa tsy voaomana tsara rahateo hifanandrina amin’ io vahoaka mahery tia ady io. Tsy fiadiana ananana, ny tena tsy zatra niatrika ady, ny saina efa voadombon’ ny fanandevozana elabe, voasemba- tsemban’ ny zaza amam-behivavy sy ny ondry ary ny omby koa, etsy andaniny ny finoana an’ Andriamanitra mbola tsy mazava tsara sady marefo, dia ho raiki-tahotra izy ireo ka inety ho kivy. Sady naneho ny famindrampo no naneho ny fahendren’ Andriamanitra ny fitondrana ny vahoaka nahazo ny Ranomasina Mena.PM 280.3

    ‘Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra. Ary. Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandrO hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri- afo nony alina ho fahazavana ho azy handehanany andro aman’ alina. Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ ny olon’ Isiraely ny antoandro, na ny andri-afo nony alina’. Hoy ny mpanao Salamo: Fa Jehovah namelatra rahona ho fialofan’ ny Zanak’ Isiraely, ary afo ho fanazavana azy nony alina5.PM 281.1

    Nandroso nizotra teo ambany fanevan’ ny Mpitarika tsy hita maso ny Isiraely. Ny antoandro, dia ny rahona no nanazava ny diany sy nanarona an’ ireto vahoaka toy ny eloelo teo amboniny ary ny hatsiatsiakany no nanalefaka ny fandoroan’ ny hainandro ny tany efitra. Niova ho andry afo izany tamin’ ny alina ka nanazava ny toby sy nanamafy ny fanatrehan’ Andriamanitra tsy tapaka.PM 281.2

    Mitantara ny fiahian’ Andriamanitra ny olony amin’ ny ady lehibe farany ifanaovana amin’ ny herin’ ny ratsy Isaia raha nilaza ny andri-rahona sy ny andri-afo, ao amin’ ny teny tena soa sy feno fiononana indrindra ao amin’ ny faminaniana nosoratany: ‘Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina. Ho eny ambony fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona, sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra, ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo, ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ ny hainandro raha antoandro ary ho fialofana sy fierena amin’ ny tafio-drivotra sy ny rano- norana’6.PM 281.3

    Namakivaky tany lemaka lava volo sy foana ny andiana Hebreo mitanjozotra lavabe. Tsaroana fa sady lavitra no mandreraka ny lalana ka manomboka mifanortany izay iafaran’ izany firenirenena izany izy rehetra. Nampitebiteby ny fon’ ny sasany sahady ny tahotra sao manenjika ny Egyptiana. Dia nasehon’ i Jehovah an’ i Mosesy fa manodidina ny haram-bato tomandavana ny lalana ary eo amorondranomasina no hitobiana. Nambaran’ Andriamanitra koa fa hanenjika azy avy eo aoriana i Farao, nefa ho afaka izy mba ho fanomezamboninahitra an’ Andriamanitra lehibe indrindra.PM 281.4

    Vetivety foana dia niely eran’ i Egypta ny teny fa tsy nijanona hanompo an’ Andriamanitra tany an’ efitra akory ny Hebreo fa nandeha nanitsy namaky ny ranomasina Mena. Nolazain’ ny tandapan’ i Farao taminy fa nandositra tsy niverina intsony iny vahoaka andevo iny, ka dia nanomboka nanenina ny amin’ ny hadalana vitany tamin’ ny fiheverany ny fahafatesan’ ny voalohan-teraka ho avy amin’ ny herin’ Andriamanitra ny olona. Nanazava ireo olon-kendry rehefa afaka ny tahotra nahazo azy fa vokatry ny lalàna voajanahary ireo loza niseho. Dia samy namerina niteny mafy ny, tsirairay avy hoe: ‘Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely ‘niala tamin’ ny fanompoana antsika isika ?’7.PM 281.5

    ‘Dia nasain’ i Farao nofehezina tamin’ ny kalesy ny soavaly. ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin’ ny Egyptiana rehetra izy”, izay samy nisy ny mpiady nitaingin-tsoavaly sy nandeha an-tongotra notarihin’ ny kapiteny avy izy rehetra. Tapa-kevitra ny hampihorohoro ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny fampisehoan-kery be izy, ka niakanjoany ny akanjom-piandrianany, ary ny tenany mihitsy no nandeha nitari-tafika. Nirohotra niray dia tamin’ ny mpiantafika koa ny mpisorona mba hahazo sitraka amin’ ireo andriamanitra sy hahombiazan ny fandresena. Nireharehana fa ny fampi- verenana ireo lasa nandositra amin ny fomba manetriketrika no ahazoana manavotra ny hajam-pirenena, dia ny hajany izay rendrika teo imason ny firenena manodidina.PM 282.1

    Nitoby teo amin’ ny helo-dranomasina izay toa tsy azo ihoarana mihitsy ny Hebreo, sady eo atsimo koa misy tendrombohitra mijoalajoala misakan-dalana azy. Tsy tapitapitr’ izay, indro tazana ny fiadiana manjelanjelatra avy lavitra ary mandroso tsy misy elanelana ny kalesy lohalaharan’ ny tafika izay tamy manatona haingana dia haingana ka vetivety foana dia ho hita manontolo. Nanenika ny tobin’ ny Isiraely rehetra ny horohoro. Ny sasany nitaraina tamin’ i Jehovah, fa ny maro kosa nidradradradra sy nimonomonona tamin’ i Mosesy. ‘Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atý an’ efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay hianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay, fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay nanompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an’ efitra8.”PM 282.2

    Nandevilevy ny fon’ i Mosesy nahita ny fahakelezan’ ny finoan’ ireo iray firenena aminy an’ Andriamanitra, izay nanome azy ireo porofo marobe ny amin’ ny hery ananany, ka velom-panontaniana ny amin’ ny fomba hanilihana aminy ny loza izay atrehina, nefa anie ka efa nanaraka antsipiriany ny lalana nitarihan’ Andriamanitra izy e! Raha ny aminy aloha, dia tsy nanan-tahotra kely akory ny amin’ ny ahitana lalana ivoahana amin’ ny loza izy, na toa nampamoy fo aza ny toe-javatra niseho. Tamin’ ny feo tony sy matoky no namaliany ny olona hoe: ‘Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah izay hataony ho anareo anio, fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina’.PM 282.3

    Akory ny hasarotan’ izany mifehy vahoaka marobe tsy zatra fehezina sy tsy manana fahatoniana. Tsy ho tana izy ireo fa hikoron- tana sy hitratrevatreva. Nidradradradra mafy izy satria fantany fa ho voatanan’ ireo mpampahory azy eo am-pelatanany rehefa afaka fotoana fohy. Nanaraka am-bokony ny andri-rahona avy eo aoriana ny olona amin’ ny maha-fanevan’ Hay Andriamanitra Lehibe Izay niteny hoe: ‘Mandrosoa !” Izao anefa tsy fantatra na io andri- rahona io ihany no ho tonga fambara loza mahatsiravina. Tsy azo lavina, fa moa tsy io andri-rahona io tokoa ve no nitarika ny olona tamin’ ny lalana tsy azo aleha sy tany amin’ ny lafin-tendrombohitra tsy azo anihana? Dia toy izany no niheverany ny Anjelin’ Andriamanitra ho mpilaza loza, noho ny masony voajamba.PM 283.1

    Tamin’ ny fotoana saika nahatratraran’ ny miaramila egyptiana ny Hebreo indrindra, ka ninoany fa efa mby eo am-pelatanany ny haza, no indro nijaridina teo amin’ ny lanitra ny andri-rahona, nandalo teo ambonin’ ny olona ary nijanona nanelanelana azy tamin’ ny fahavalo. Hatreo, dia nisy rindrina mainty nampisaraka ny mpanafika sy ny tafihana. Voatery niato ny Egyptiana satria tsy tazany intsony ny tobin’ ny Hebreò. Eo ankilany indray, arakaraka ny hanaronan’ ny haizina ny zava-niseho no vao mainka koa nahatonga ilay rindrina mainty hivadika ho fitaratra mahery vaika mampiparasaka ny onjam-pahazavany mahatoraka ny fahazavan’ ny mitataovovonana Nitsiry tao am-po indray ny fanantenana teo amin’ ny Isiraely. Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy izay nitaraina taminy: ‘Nahoana no mitaraina amiko hianao? lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba handroso. Ary aingao ny tehinao dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tànanao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia tany maina ny Zanak’ Isiraely ’.PM 283.2

    Tatý aoriana, raha nitantara ny dian’ ny Isiraely namaky ny Ranomasina Mena ny mpanao salamo dia nihira hoe:PM 284.1

    Tany amin’ ny ranomasina ny làlanao,
    Ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka Ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
    Ny tànan’ i Mosesy sy Arona,
    PM 284.2

    Dia nahinjitr’ i Mosesy, araka izay nandidian’ Andriamanitra azy ny tehiny, dia nisaraka ny ranomasina ka nanjary nisy fefy andaniny roa, dia nandia tany maina teo afovoany ny Isiraely. Nampamirapiratra ny tendron ny onja izay nijanona tsy nihetsika ny fahazavan’ ny andri-rahona ka nanazava ity lalana migodana mamaky ny ranomasina lalina ary tsy tazana ny laniny fa very momoka ao anatin’ ny haizin’ ny morona ilany.PM 284.3

    ‘Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ ny ranomasina, dia ny soavalin’ i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Ary tamin’ ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ ny Egyptiana tao amin’ ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ ny Egyptiana’10.PM 284.4

    Akory ny hagagany, fa nivadika ho andri-afo ilay rahona maha- taianjona sady namoaka tselatra sy kotrokorana. Nandatsaka ranonorana ny rahona; Nikotrokotroka ny Ianitra Nifanaretsaka koa ny zana-tsipikanao, Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio Nahazava izao rehetra izao ny helatra; Nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany. 11PM 284.5

    Nanenika ny tobin’ ny Egyptiana ny fisafotofotoana sy ny horohoro. Jenjin’ ny fipoaky ny herin’ ny zava-boahary izay nandrenesany ny feon’ Ilay Andriamanitra tezitra izy ka nitady hiverina hamonjy haingana ny morona izay nialany. Dia nahinjitr’ i Mosesy indray ny tanany ka avy hatrany dia nipaoka mafy nitelina ny miarainila egyptiana tao anaty kibony lalina ny rano niavosa misamboaravoara sy misafoaka avy handrapaka ny hazany.PM 284.6

    Afaka nanatri-maso izay sisa tavela tamin’ ireo fahavalony mahery ny vahoaka Hebreo, rehefa nadiva ho maraina ny andro: indreny mitsitra eny amoron-drano misy faty mikobona ao anaty akanjo vy. Indray aiina monja dia ampy nanafahana ny Isiraely tamin’ ny loza lehibe indrindra. Vahoaka tsy manan-kery alikisa, dia zaza amambehivavy sy biby fiompy, voasakan’ ny ranomasina eo aloha ary dodonan’ ny tafika mahery avy ao aoriana no nahita lalana nisokatra teo alohany namaky ny herin’ ny rano sy ireo fahavalony voafandrika sy voatelin’ io hery io ihany, tamin’ ny fotoana izay ninoany indrindra ahazoana fandresena. Jehovah no nanafaka azy, ka any Aminy no isandratan’ ny hobim-pisaorana sy fahatokiana atolony. Feno ny Fanahy Masina Mosesy dia nihira ary niventy nanaraka.ity hirapandresena izay anisan’ ny hira tranainy sy tsara indrindra amin’ izay fantatra ity koa ny vahoaka:PM 285.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents